FA TOY IZAO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

FA TOY IZAO


Fa toy izao no nitiavany (Andriamanitra)
Antsika tena zanany (nomeny Jesosy)
Nomeny ny Zanany tokana (mba tsy ho very [2e-3e])
Izay rehetra mino ny anarany


Jesosy Tompo no Anarany (Fa Izy)
Izy no hamonjy ny ainao (amin’ny ota)
Ota izay mampisaraka (amin’ny Ray [2e-3e])
Ray efa tia ilay Zanaka


Ref :
Ho deraina tokoa anie, noho ny avo-dehibe
Dera laza re ho anao (ry Ray o!)
Soa tsy manampaharoa, tsy azo novidiana koa
No nomenao anay zanakao


Ray o! raiso ny fonay ho Anao (fa atolotray)
Manontolo hatramin’izao (ho mandrakizay ka)
Rehefa tonga any Aminao (ho sambatra loatra [2e-3e])
Tretrika fa eo anilanao


Ref :
Ho deraina tokoa anie, noho ny avo-dehibe
Dera laza re ho anao (ry Ray o!)
Soa tsy manampaharoa, tsy azo novidiana koa
No nomenao anay zanakao


·