Fa ny hirako

Rija Ramanantoanina

Fa ny hirako


Raha tsapanao fa niova ilay fitia
Ny hirako henoina
Raha toa ianao manahy ny ho lanjany
Ny tonony fakainao


Ireo tebiteby niainako hatrizay
Nikiky ny androm-piainako
Ho fantatrao raha toa ianao injay
Mikalo izay voasoratro


Izaho ’lay menamenatra mitia
Indramiko ny hira
Handoatra lalindalina kokoa
Izay mety ho fanirian’ny fo


Kaloy ireo hirahirako mangina
Hilaza ny ato anatiko
Hamoaka marimarina tokoa
Ny aty fo fanahiko


Ny hirako henoy
Ho fantatrao ny amiko
Ny hirako kaloy
Hilaoka ny ao anatiny
Ny hirako (mitsiky ilay fitia) trotroy
Fa tsiky no ambarany
Ny hirako hanohy
Ny kely efa voalazako


Misy atsinjaran’ny fitia
Tsy ary ho voatanisako
Hiteraka baliaka ao anaty
Indraindray tsy voazarako


Ny hira no indramiko hamoaka
‘Reo tsiky voatanako
Ka indro ny hirahirako hirao
Hizara ny hasambarako


Ny hirako henoy
Ho fantatrao ny amiko
Ny hirako kaloy
Hilaoka ny ao anatiny
Ny hirako (mitsiky ilay fitia) trotroy
Fa tsiky no ambarany
Ny hirako hanohy
Ny kely efa voalazako


·