FA NY FAHASOAVAN'NY TOMPO
Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
FA NY FAHASOAVAN’NY TOMPO
Fa ny fahasoavan’ny Tompo anie
No miposaka ho anareo
Ary ny fitahian’Andriamanitra
No omena ho anareo
Ref: fa ampy ho anao ny fahasoavan’ny Tompo
Ampy ho anao ny fahasoavany
Ka arahaba r’ilay nohasoavina
Ny Tompo no indro homba anao
Tao ny taona sy andro ary volana
Izay nodiavinao hatrizay
Notahian’Andriamanitra anefa ianao
Nahatratra ity andro iray