Fa ny asa fanompoana

GAFLI

Fa ny asa fanompoana


Fa ny asa fanompoana dia hiazonana finoana
Ka mampitombo sy mampandroso ho mendrika ny fiantsoana
Ka hevero ny asa atao tsy hitodika aminao
Satria ny iraka dia maso ivoho
Ny asan’i Kristy no atao


Ref: Be ireo fizahan-toetra, sakana mandemy fo
Saingy atao tarigetra dia ny ho tafita soa


Ny miray amin’ny Tompo no zanaka mahay manompo
Mandray aina tsara satria tena voaloboka i Kristy
Dia mamoha voa tsara ho an’ny hafa ihany koa
Fa ny mpanompo novain’i Jesoa
Hoe sakaizany avokoa


·