Fa mendrika

Fanilon'ny famonjena

Fa mendrika


Fa mendrika hisaorana ianao Ray
Nomenao anay ny teninao
Zay teny mamy sy velona
Teny fiainana maharitra
Mandrakizay doria doria
He sambatra izay mandray azy
Ho fiainana


Ry fanahy ô! midina
Hazavao re ny saina
Mba andrasanay ny teninao
Jesosy Tompo ô!
Meteza ianao
Hampianatra ny teninao
Omeo anay Ilay fitia
Môdelinao ho arahinay


Ianao jesosy ô! no hisaoranay
Nanetritena ianao
Nafoinao ho anay ny ainao
Nalatsa-drà ianao ho avotra
Noho ireo ota vitanay
He sambatra izahay
Manana anao jesosy ô !


·