Fa katsaho

SLK Ambohidroa

Fa katsaho


Raha tonga ny fotoana
Handaozanao ny tany
Moa efa mba no saininao ve
Zay ho vantanina any
Any an-danitra any
Ho faly ve sa hitomany
Tsy hisy hahazaka, Na vary fito venty
Hiakatra any ambony any
Zava-poana ihany
Ny fiainana eto an-tany
Tsy mba haharitra
tsy hahatonga anao ho any


FIV
Fa katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra
Katsahao aloha ny fanjakany
Ny fanjakan’ny Tompontsika
Aza variana foana ny fiainana eto an-tany
Izay mandalo miserana ihany
Fa mahonona tena ho mendrika ny Tompo
Dia hanampy anao ny zava-drehetra


·