FA FITIAVANA IZANY

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

FA FITIAVANA IZANY


Fa fitiavana tokoa, fa fitiavana avo
No itiavan’Andriamanitra antsika
Olombelona izay mpanota sy tena maditra
Fa mbola nomeny ny Zanany


Ary tsy hoe hanameloka anie
No antondiany raha tonga tety
Fa ho mpamonjy izao tontolo izao
Fitiavana izany, avy any amin’ny Ray
Ka ho voavonjy anie ny olona mino
Ary ireo izay manao ny marina
Akaiky ny fahazavana


Fa Fitiavana tokoa, fa Fitiavana avo
No itiavan’Andriamanitra antsika
Olombelona izay mpanota sy tena maditra
Mbola nomeny an’i Jesosy
Jesosy izay Lahitokany


·