Ety amin'izao tontolo izao
azofi fjkm ambohipo
Ety amin’izao tontolo izao
1/Ety amin’izao tontolo izao no napetraka ianareo
Tsy ny hanaradia azy fa hataony modely
Mankahalà ny ratsy, ny hevi-petsiny reseo
Mamelà ny mamy toy ny renintantely
2/ Ety amin’izao tontolo izao no ahitana fahoriana
Kanefa matokia fa Jesoa naharesy ireny
Mifikira amin’ny tsara, ny finoana aza ariana
Fa handositra satana sy tsy afaka hiteny
3/ Ety amin’izao tontolo izao no nirahina ianareo
Ho fahazavany sy hitory ny filazantsara
Mahonona tena, aza mety hofitahina
F’izay voafafy anie hipetraka ho tantara
Ref :
Miorena ka miambena
Ary aza avela hisy hivena
Jesoa irery no fikiro
Ireo misaina ratsy halaviro