Eto an-dalana

Lova miampita

Eto an-dalana



  1. Lohasahan-dranomaso no vakiako
    Maizimaizina sady mideza
    Koa tantano ry Ray zany diako
    Efa mila hitofezafeza
    Feno tsilotsilo, be karaobato, saro-dalana
    Nefa hazavana mitsilopy no tazana
    Toa tsy hitako ny indray mandingana avy amiko
    Kivikivy sy matahotra aho mijery ny hoaviko


Refrain : Sandrinao no iriko hitantana ny dia
Eto andalam-pihoarana ho any Aminao
Ka handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
Lohalalako Hianao Jeso



  1. Bibidia izay lian-drĂ  indry miandry
    Kihon-dalana no hiereny
    Efa vizana be ity zandry
    Mitalaho Aminao ombieny
    Hery tsy mitovy indro mifanena ary fantatra
    Ny nofo malemy no tsy maintsy ho maratra
    Tsisy intsony ala olana azo hiodivirana
    Raha tsy eo Hianao Jeso hanala izay manahirana


Refrain : Sandrinao no iriko hitantana ny dia
Eto andalam-pihoarana ho any Aminao
Ka handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
Lohalalako Hianao Jeso



  1. Kely sisa dia ho vita re ny dia
    Nefa maika mahery ny ady
    Ka hilofika ve ? Sanatria !
    Ny manaiky ho resy dia fady
    Mila hery miha-mitombo isan’andro avy Aminao
    Ry Jesosy Tompo Zoky tia izay tsy mandao
    Eo no hitako azo antoka sy tsara indrindra izao
    Eo aho hijoro sy handresy mba ho voninahitrao


Refrain : Sandrinao no iriko hitantana ny dia
Eto andalam-pihoarana ho any Aminao
Ka handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
Lohalalako Hianao Jeso


·