Eo anilanao

ROHAMA

Eo anilanao


Faniriako Ray o, ny ho eo akaikinao
Anilanao mandrakizay
Arovy aho, tantano fa sao mania
Ny herinao ho tokiko


Aza manahy fa tsy irery ianao
Ho anilanao aho mandrakizay
Hiaro anao, hitantana anao koa
Ny herinao ho tokiko


Na sarotra izay aleha
Ny tananao no tokiko
Hazoniko ka tsy avelako
Ny sandrinao hiaro ahy


Faniriako Ray o, ny ho eo akaikinao
Anilanao mandrakizay
Arovy aho, tantano fa sao mania
Ny herinao ho tokiko


Aza manahy fa tsy irery ianao
Ho anilanao aho mandrakizay
Hiaro anao, hitantana anao koa
Ny herinao ho tokiko


Na sarotra izay aleha
Ny tananao no tokiko
Hazoniko ka tsy avelako
Ny sandrinao hiaro anay


Tsy irery aho fa eo anilanao
Hiaro anay, ho tokinay
Tsy isaraka Aminao na aiza aleha
Ianao no malalako


Na sarotra izay aleha
Ny tananao no tokiko
Hazoniko ka tsy avelako
Ianao no malalako


·