Eo anatrehanao ry Ray (3 ème Album)
KTKB (Edena vaovao Morondava)
Eo anatrehanao ry Ray (3 ème Album)
1 - Ny andro maro sy ny volana aman-taona,
Izay nifandimbindimby zary loha taona,
Ka fahatsiarovana no sisa ka ankalaza,
Ny andro iray tsy tota fa tena vaovao,
REF : Fa mpamonjy no teraka ho anareo,
Ho anareo anio,
Ao an-tanany, tananan’i Davida,
Fa mpamonjy no teraka ho anareo,
Ho anareo anio,
Dia Kristy Tompo, (x2)
2 - ‘Lay teny tonga nofo no tanterak’izao,
Voasoratr’ireo mpaminany maro ho anao,
Na maro ireo nifofo sy nanenjika tokoa,
Niaro hatrany hatrany anefa ilay Tsitoha,
3 - Ankehitriny dia misaotra anao ry Ray ô !
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao,
Ny nanoloranao ‘lay zaza mora fo ho anay,
‘Lay Manoela tokanao, ‘lay mandrakizay,