EO AN TONGOTRAO JESOA

Antokom-pihira Hanitry ny Lanitra(AHL)

EO AN TONGOTRAO JESOA


Eo an tongotrao Jesoa?


Eo antongotrao Jeso
No hiantorahako mpanomponao
F’eo no misy vonjy ho Ahy
Tena azo antoka
Ô fifaliana omenao
Tsy ho tapitra mandrakizay
Fiadanana no tsapako
Raha eo anilanao Jeso


Fiv:
Fa nahoana moa no sahiko
Ny mihira toy izao
Satria nomenao ahy ny lambam-pamarinanao
Eny sambatra aho hitoeranao
Jeso malalako
Raiso re ny saotra hatolotro
Fa tena vokatry ny fo


Jeso ô atolotro
Ho anao zao tenako izao
Na tsy mendrika aza re atokany ho anao
Fa vonona aho hanaradia
Na ho mora na ho sarotra
Ianao no hianteherako ka
Tsy mba hanan-tahotra


·