EO AMPOTOTRY NY HAZO FIJALIANA
Antsan'i Fenomanana
EO AMPOTOTRY NY HAZO FIJALIANA
Eo ampototry ny hazo fijaliana
No hanankinako ny anjara atolotrao
Mino sy matoky aho fa manana Anao
Ilay maty novonoina, mba ho vonjiko
Na ny kapoka izay nandratra
Na ny hirifiry izay niaretanao
No indro tonga ainga vao
Hamelombelona ahy
Tsy hanatahotra aho
Ambany elatrao
Ka na inona hiatra, na inona hanjo
Ny Hazo fijalianao no heriko.
A/C RANDRIANARIJAONA Henri
“ANTSAN’I FENOMANANA”