Eo ampelatananao
Antsan'ny Serafima Tangaina
Eo ampelatananao
- Eo ampelatananao no mahalavorary ahy,
Fantatro, ô ry Ray Tsitoha.
Eo ambany helatrao toerana hahasambatra ahy,
Fantatrao, Andriamanitro.
Fiv : Ny eto antany tsy maharitra
Mora loa, feno haratsiana.
Fiainana izay voafetra ihany
Hay Ray ô!
Fahoriana mahasasatra.
- Vatolampiko Ianao, elo fialofako
N’aiza n’aiza ho lalampioainako.
Heriko Ianao, fahasoavako.
Toera-mamiko ny eo Anilanao. (indroa)
O ry Ray.
A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina