Eo ambany elatrao

Vero Ranaivoson

Eo ambany elatrao


(Tilikambo mahery Ianao
Fialofana azo antoka
Fiereko mandrakizay
Vatolampy famonjena ahy
Ka tsy hatahotra aho


Eo ambany elatrao no hialofako
Teny fikasanao no hijoroako
Mety hiova avokoa na izao rehetra izao
Fa Ianao tsy mandao, tia mandrakizay
Fitiavana mandrakizay) x2


Tazomy aho Tompo ô
Hitoetra eo an-tongotrao
Ka na ihetsika ny havoana
Fitiavanao hitoetra eo foana
Tazomy aho Tompo ô
Hitoetra eo an-tongotrao
Eo no mahatsara ahy


Eo ambany elatrao no hialofako
Teny fikasanao no hijoroako
Mety hiova avokoa na izao rehetra izao
Fa Ianao tsy mandao, tia mandrakizay
Fitiavana mandrakizay
Mandrakizay
Fitiavana mandrakizay
Mandrakizay
Fitiavana mandrakizay.


·