ENY

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

ENY


Satria moa ny Tompo rehefa miteny
Rehefa nanaiky milaza hoe Eny
Dia tsy miova intsony, f’ izay ny ao am-pony
Manaiky hoe ENY , miteny hoe ENY


Raha zaza nania no nody indray
Satria nahatsiaro ny tranon’ny Ray
Rehefa mifona ny heloka vita
Dia tena ekeny, ataony hoe ENY


Ny vavaka atao anie ka misy mandre
Mangataka ianao dia misy manome


Fa izy no Mpanjaka, lehibe
Raha izy no antsoina dia mandre
Fa izy no mpamaly vavaka
Ary izy no mpamela heloka
Tokana, masina, ilay hatrizay sy rahatrizay


Tokana ny teny lazainy
Izay ampanantenainy dia efainy
Tsy mivadika izay nekeny
Izay sahaza ahy dia homeny
ENY, ENY, ENY


·