Ento

CEVAM

Ento


Andriamanitra o
Andriamanitro ianao
mangetaheta anao ny fanahiko
maniry anao ny nofoko
indro asandratro ho anao ny tanako


toy ny tany maina
izay mitady orana
mihoatra noho izany no hiandrandrako anao
te hitondra fanatitra aho manim-pofona indray
ho anao ilay rano velona
tompon’ny aina sy fanahy


hoento miakatra aho
sintony aho ho any aminao
te ahita anao aho, ny hatsaran’y lanitrao
ka hanidina aho hahita mihoatra ny eto an-tany
ny fanahiko ho tafakambana aminao any
ie eeee ei


oh oh oh
tafakambana aminao aho
oh oh oh (hoento miakatra aho)
ho tafakambana aminao aho


·