Endrik'Andriamanitra
APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Endrik’Andriamanitra
1- Noho ny Fitiavana
Namoizan’ny Tompo ny Ainy
Tao anaty Fitiavana
Ie e nahafoizana aina
Ref :
Endrik’Andriamanitra isika e
Ndeha hifankatia e
Mitiava marina amin’ny fo e e
Ampanjakao ilay fitia
2- Dia noho ny Fitiavana
Iveloman’ny fanahy rehetra
Ao anaty Fitiavana
Ie e ahazoany miaina
- Mbola ho an’ny Fitiavana
Hanaovan-tsoa ny hafa
Ao anaty Fitiavana
Ie e itiava-namana
Ending :
Mitiava marina amy fo e
Ampanjakao ilay fitia
Mifankatiava e ia
Ianareo mahaiza miray hina e
Mifankatiava e ia
Ianareo olombelona ambony tany e
Mifankatiava e ia (x3)