Endrey ny hatsaran'ny asanao
Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Endrey ny hatsaran’ny asanao
Endrey ny hatsaran’ny asanao
Ry Andriamanitra ô
Ny mazava, sy ny alina koa
Ny tany sy ny lanitra
Sy izay rehetra ao aminy
Dia samy asanao
Hoderainay mandrakizay
Ianao Mpanjakanay
Fa na dia levona aza
Ny nofoko sy ny foko
Dia mbola vatolampin’ny foko
Sy anjarako mandrakizay
Andriamanitro