Embona takariva
Ny Anjarasoa
Embona takariva
Hariva tokoa mantsy izany andro
Mahatsiaro ilay tiana lavitra any
Izaho atý dia latsaka tomany
Manembona ilay tiana saraka ahy
Embona takariva ihany sisa
Ao an-tsaiko ao no mamisavisa
Manantena fa mbola hihaona any aoriana
Sy ireo teny mamintsika
Sy ireo dina takariva
Mba sompatra ireny elanelan-tany
Mampisaraka, mampijaly toy izao
Nofidiko ny eo anilanao mandrakizay
Tsy hisaraka fa mandra-maty ho doria