EMBONA SY HANINA

Mahaleo

EMBONA SY HANINA


Embona sy hanina,
Tsy hay mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo,
Madisadisan’alahelo.


Ny havoana tazanina,
Tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary ny fo maratra.


            Fa ny antsoko ny akony no mitampody

Mba nihiaka mafy anie aho fa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Tako-drahona sy vohitra avo.

Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny saina no alefa maminany
Hibanjina anao any ho any.

Alahelo sy toloko,
rehefa injay tsaroko
Fa noho ny hasomparan’ny tany ,
Izaho aty ianao lavitra any


Tsy azo hiadiana ny anjara,
’zay ngamba no noheveriny ho tsara
Izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra.


           Fa ny ahy dia fitia tena marina

Na anaty onaona aza ho tafarina
Na halevina mety mandifotra olona
Hipetraka haniry hamololona.

Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
Fa izaho tsy hitsahatra ny ho tia
Ny halavirana sy ny taona
Tsy hahasakana antsika tsy hihaona.

·