Embona (Ny fitia)
RR Majunga
Embona (Ny fitia)
Ny fitia izay nomeko azy
Dia ny fitiavako rehetra
Dia ny foko fa tsy vazivazy
Fa ny aiko no fetra
(2*)
Izy no hany tokako
Izy no ho malalako
Mamin’ny foko sy ny fisainako
Omeko ny fitiavako
Ny foko sy ny androko
Hiara-dia mandrakizay amiko
Dia lapa soa no indro ataoko ho porofo
Fa ny fitiavako dia tsy ho lo
Ho vavolombelona an-kitsirano
Ny dina vita sy ny velirano
Izy no hany tokako
Izy no ho malalako
Mamin’ny foko sy ny fisainako
Omeko ny fitiavako
Ny foko sy ny androko
Hiara-dia mandrakizay amiko
(2*)