EMBONA NY AKANY

NY MAHEFA

EMBONA NY AKANY


Atao ahoana ny hangina tsy hahatsiaro
Ilay akany izay nitaiza an-taona maro
Io no toerana ankiray tsy ho adinoiko
Ooo, nahalatsahan’ny tavony ka tsy foiko


Na dia lasa lavitra aza izany tena
Mba hitady sy hikaroka harena
Ny lela no hiraikitra amy lanilany
Raha toa ka hanadino ilay akany


Atao ahoana ny hangina tsy hahatsiaro
Ilay akany izay nitaiza an-taona maro
Io no toerana ankiray tsy ho adinoiko
Ooo, nahalatsahan’ny tavony ka tsy foiko


Na dia lasa lavitra aza izany tena
Mba hitady sy hikaroka harena
Ny lela no hiraikitra amy lanilany
Raha toa ka hanadino ilay akany


Fahoriana no naniraka ahy handao
Embona no sisa alefako aminao
Ry akany izay voatery nialako
Ianao ihany no tsy maintsy hiafarako


Fahoriana no naniraka ahy handao
Embona no sisa alefako aminao
Ry akany izay voatery nialako
Ianao ihany no tsy maintsy hiafarako


·