Embona (ft. Micky)

Aton'ich

Embona (ft. Micky)


Tantara sisa ankehitriny
Ilay tsika roa tsy nifankafoy
Fa nisampana ny lalan-tsika eh.


Voarara ilay fitia
Izay nokoloina mafy ery
Voatery navadika ilay pejy kanefa.


Niezaka foana aho
Efa niezaka foana anie aho e
Hamafa ireo fahiny niarahana nanao ô.
Te hifantoka amin’ireo tanjoko aho
Hibanjina fiainana vaovao
Tsy fanahiniako anefa raha mbola manembona anao


Ohhh…
Sarotra ny hamafa ireo lasa eh
Miserana tampoka foana ireo vita fahiny oh
Tsy afenina fa mbola mitoetra foana
Efa niezaka ny hamafa aho
Fa mamy loatra ireo niarahana


Ny saiko tsy mety manadino
Ny foko tsy mba mety mionona
Fa na tiako aza ny eo ampelatanako ianao koa anie tsy foiko


Ka heloko ve ra hilaza fa tiako hiverenana ireo fahiny
Na segondra vitsy anilanao d’efa ampy ahy


Niezaka foana aho
Efa niezaka foana anie aho e
Hamafa ireo fahiny niarahana nanao ô…
Te hifantoka @ireo tanjoko aho
Hibanjina fiainana vaovao
Tsy fanahiniako anefa raha mbola manembona anao


Ohhh…
Sarotra ny hamafa ireo lasa eh
Miserana tampoka foana ireo vita fahiny oh
Tsy afenina fa mbola mitoetra foana
Efa niezaka ny hamafa aho
Fa mamy loatra ireo niarahana…


Sarotra ny hamafa ireo lasa eh
Miserana tampoka foana ireo vita fahiny oh
Tsy afenina fa mbola mitoetra foana
Efa niezaka ny hamafa aho
Fa mamy loatra ireo niarahana…
Tsy afenina fa mbola mitoetra foana
Efa niezaka ny hamafa aho
Fa mamy loatra ireo niarahana…


·