Ela loatra
Andrianary Ratianarivo
Ela loatra
Ela loatra
No nitoetra
Tany ampita
Ka tsy hita
‘Lay malala silak’aina
Sady toka-nandrandraina
Kanjo izao
Ho avy ao
Hoy ny teny
Izay nomeny
Ka ny fo ela nisaona
Dia ho faly tafahoana
Ry elanelan-tany
Mpisompatra mavany
Ny maso no voafefy
Fa tsy mba miha lefy
Ny fo izay nifanaiky
Na lavitra na akaiky.
Feony: Andrianary Ratianarivo
Tonony: Rakoto de Monplaisir