Ekeko re
Akon'ny Lanitra FLM Fihaonana Fort-Dauphin
Ekeko re
1- Raha sendra mba ory aho Tompo o
Tsy hiala Aminao na oviana
Hanaraka Anao fifaliako
Na ho mafy ny fijaliana
Mino aho Tompo o fa Ianao no mandahatra
Izay rehetra miseho amin’ny fiainako
Ekeko re
Mahery fa manana Anao aho Tompo o
Ianao mampionona ahy raha sendra manjo
Zavatra tokana ihany no iriko eto an-tany
Hiara-mitoetra Aminao any an-danitra any
Ekeko re ry Tompo, ny fitondranao ekeko re
2- Raha mila ho kivy aho Tompo o
Ka hihemotra handao Anao
Ampatanjaho ny finoako
Satria Ianao no Mpiahy
Mino aho Tompo o fa Ianao no mandahatra
Izay rehetra miseho amin’ny fiainako ekeko