EKEKO NY HERIN'NY TENY

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

EKEKO NY HERIN’NY TENY

Endrey mahagaga sy mahatalanjona ny asanao re ry Mpahary
Vaka ny saina ka mitolagaga anivon’ny zava-boahary
Baliaka ny volana, tsiky ny andro, pariaka ny kintan’ireny
Misia hoy Ianao, dia nisy, ary ireny, ekeko ny herin’ny teny.

Fa ny ranomasina, rina sy ony, maria nefa koa mety tony
Ny lemaka, vohitra, sy ny havoana, lonaka sy tany foana
Ny vorona sy voninkazo, ny ahitra, vato ary hazo
Ny biby fiompy rehetra, mikisaka tsy misy fetra
Ny olona kosa manjaka amin’ireny, ekeko ny herin’ny teny.

Ny fiainana an-tany manaraka izany toa mivadibadika ihany
Vaka ny saina ka te haminany, mba inona no anton’izany
Fa mamy ny hehy, mangidy ny ratra, mifangaroharo eny ombieny
Mihelina anefa, mandalo izy ireny, ekeko ny herin’ny teny.

·