Ekeko ny hadisoko (3 ème Album)

KTKB (Edena vaovao Morondava)

Ekeko ny hadisoko (3 ème Album)


1 - Ekeko gny hadisoako,
Izay nataoko anao,
Jesosy anao ‘lay tsy foiko,
Mifona aho izao,
ô ! ô ! ô ! Mifona aminao,


2 - Tsy mendrika ny hitory,
Hiantso ny anaranao,
Jesosy raiso ny foko,
Mba ho eo anilanao,
ô ! ô ! ô ! Mba ho eo anilanao,


REF : Ianao ilay nohesohina,
Ianao ilay nohelohina,
Ianao ‘lay maty nohombohina,
Nisolo heloka ahy,
ô ! ô ! ô ! Nisolo voina ahy,


3 - Tsapako ny fahoriana,
Mangidy nolanjainao,
Ny rànao izay nikorina,
Raisiko ho ahy izao,
ô ! ô ! ô ! Hisaorako anao


·