EKEKO

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

EKEKO


Ny Tompo tena tiako
Ahy fa tsy mba nindramiko
Tsy lova na koa vinidy
Kanefa tena sarobidy,
Ahy ka hajaiko
Tompoiko ary handraindraiko
Izay tiany no ekena
Am-panetre-tenaf


Réf.


Ny irakao rehetra
Ekeko tsisy fepetra
Hitory sy hanambara
Ny filazantsara
Jerosalema, Jodia
Ary hatrany Samaria
Iriako aza izany hatrany
Am-paran’ny tany



  1. Isaorako anie
    Ianao ry Tompo lehibe
    Nampahatsiaro tena
    Fa azy tsy mba noterena
    Ka dera, eny laza
    Sy voninahitra ary haja
    atolotro anao ry Tompo
    Mpanavao


·