Ekeko

Tarika Miantefa

Ekeko


Ny foko izao
Omeko Anao
Ka anjakao tokoa
Ry Tompo Andriamanitro
Ho Anao ny tenako
Izay sitrakao,
Kasaina hatao,
Tianao hanaovana ahy
Ataovy re,
Ekeko tsy hampanahy


Ireo rendrarendra nambabo ahy taloha
Ny ditraditra rehetra vitako
Ifonako Aminao, hialako ho lavitra ahy
Tsy handoto intsony ahy anatrehanao


Ny androko, fotoanako
Laniako ho Anao
Ka n’aiza aleha
Tsy misy hoe
Ianao tsy anatiko ao
Ny fombako, fihetsiko
Na ny fiteniko
Mendrika Anao
Ho fiderana Anao


Ho faly Ianao manomboka izao
F’ireo rehetra ataoko: izay tianao
Koa arovy aho Ray hahery
Mba hahavita hanefa ireo
Mba tsy ho mora havilivilin-dratsy indray


Koa arovy aho Ray hahery
Mba hahavita hanefa ireo
Ka ho Anao irery ihany aho mandrakizay
Ka ho Anao irery ihany aho mandrakizay
Ka ho Anao irery ihany aho mandrakizay…


·