Ekeko
Mihanta
Ekeko
Ekeko ry Lala
Andrian’ny foko
Ny hijaly ho anao
Ny handefitra ho anao
Ka handrotika ny ao anaty…
Zakaiko…
Hifaly aho sy hijaly
Hiaraka aminao
Hikorontana hilamina
Izay rehetra hatao
Tsy misy ahoako
Zakaiko…
“Ianao no efa anjarako
Nandrehitra ny afom-pitiavako” (2)
Ianao …
Ny saiko rehetra
Ny foko manontolo
Izay sitrakao sy lavinao
Tsy asiako alahelo
Zakaiko …
“Ianao no efa omaliko
Ianao ihany koa ny ampitsoko” (2)
IANAO …
Ianao no efa anjarako
Nandrehitra ny afom-pitiavako
Ianao no efa omaliko
Ianao ihany koa ny ampitsoko
IANAO..