Ekeko

VLM 67Ha

Ekeko


“Ekeko”
Ny fitondranao soa, ry Ray, ekeko
Fa mahasoa ny tena sy fanahy
Injao lay feonao manako, reko
Milaza fa Ianao no mitantana ahy


Ny làlanao soa no indro izorako
Ka tsy hialako tsy iviliako intsony re
Mitondra ahy ho amin’lay anjarako
Voaomana ho ahy, Fiainana be dia be


Ny hevitrao dia tsy izay mba takatro
Ny làlanao dia tsy mba ho voasoritro
F’Ianao no mahalala ny hevitra heverana ahy
Dia fiadanana ho an’ny fo sy fanahy


Ny làlanao soa no indro izorako
Ka tsy hialako tsy iviliako intsony re
Mitondra ahy ho amin’lay anjarako
Voaomana ho ahy, Fiainana be dia be


Ny fitondranao soa, ry Ray, ekeko
Fa mahasoa ny tena sy fanahy
Injao lay feonao manako, reko
Milaza fa ianao no mitantana ahy
Ny làlanao soa no indro izorako
Ka tsy hialako tsy iviliako intsony re
Mitondra ahy ho amin’lay anjarako
Voaomana


Ny làlanao soa no indro izorako
Ka tsy hialako tsy iviliako intsony re
Mitondra ahy ho amin’lay anjarako
Voaomana ho ahy, Fiainana be dia be


·