Efa voadio

Antoko Mpihira MORIA

Efa voadio


1-Nisolo voina ahy no niaretanao
Ianao tena fanahy no noheloina
Voalatsa sy voaeso anefa tsy namaly
Ny vahaolanao dia mifona ho azy


Tsy tonga ho an’ny marina no nidinanao
Fa ondry very anarina ho ao am-balanao
Ianao tsy noterena fa nanana finiavana
Ianao nanetri-tena am-pitiavana


Ref:Efa voadio noho ny rà nalatsaka aho
‘Lay Jeso tia namonjy ahy ara-panahy
F’izy no fahazavana mitarika ahy amin’izay atao
Hery sy ampinga azo antoka hatramin’izao


2-Mifona aho ry Tompo ô noho ny ditrako
Ny hazo fijalianao no nampiova fo
Na dia tsy mendrika aza, Ianao tsy mba manavaka
Ny rà nalatsakao no avotra


·