Efa tiany ianao

'Zay

Efa tiany ianao


Efa tiany iano
Tiany efa hatry ny ela


Fantany fa mbola kely tokoa izy
Fantany fa mety tsy ho tianao
Nefa ny fony efa lasanao
Ny fony efa babonao
Ny rehetra anie miankina aminao


Very ny ainy avy ao anatiny
Hery tsy hainy notohaina
Nefa efa mba nosaintsaininy
Efa mba nohalalininy
Efa tiany ianao
Tiany efa hatry ny ela


Tolory azy
Zay tena ao anatinao
Tsory aminy fa tia azy
Koa ianao
Esory koa ‘reo tahotra manefy anao
Fitiavana madio no atolory azy


·