Efa sitrakao

AMAF

Efa sitrakao


1- Efa sitrakao tokoa Ray ny fisianay eto.
Zao rehetra izao nomenao, fa tsy fantatray;
Mifamahofo hatrany ny tsiky sy sento.
Efa sitrakao tokoa, Ray, ka mba sitrakay.


Ref:
Sambatra izahay, sahinay ny milaza,
Manontany tena: Nahoana tokoa…?
Namamakivaky ny efitra aza,
Mbola afa-manantena fifaliana ao am-po.


2-Efa sitrakao ny aizin’ny ali-mangina;
Ho fameranao ny andro sy ny asa fanao;
Fantatrao tokoa, tokoa ny amin’ny rano tsy tiana;
Fa ekenay hosotroina satria sitrakao.


Ref:
Sambatra izahay, sahinay ny milaza,
……
Anao Isaoranay Anao ry Ray.
Ny lalana itondranao.
Tsisy lalan-kafa azonay izorana?
Afa-tsy ny sitraponao: zay no mbola naha toy izao
Fa tokinay ilay kofehy ifamatorana.
Aminao Andriamanitra mpiaro anay.
Jordan


·