EFA RESY
GAETAM
EFA RESY
- Eny! Efa resinao ny foko fatra-pania
Ka namboarinao hanjary fo vaovao
Eny! Efa babonao ka dia mieri -pitia
Miandry izay atolotrao
Fiv.
Fa lasa lavitra aho
No indro naverinao
Soa fa nalavonao dia natsanganao
Najoronao ho tonga olom-baovao
Mendrika ny anaranao
- Eny! Efa folakao ny saiko tia rehareha
Ka manaiky izay rehetra sitrakao
Eny! Efa resy lahatra aho ka hanova fandeha
Ho mpankatoa ny teninao.