EFA HIEZAKA

Faniry (Tempo Gaigy) ft. Ni. Concept

EFA HIEZAKA


N’inon’inona miseho
Tsy navelako hangatsiaka
Ilay fitiavana efa tao anatiko ao


‘Zaho tsy alavitra fa teo
Mbola nanafàna foana
Ilay afon’ny fitia toa nahamay


Na ny ho aviko aza ange
Tsy nasiako tarigetra
Fa ny lalako natokako ho anao
Ao am-poko ao fa tsy miala o!


Fa n’inon’inona miseho
Tsy navelako hangatsiaka
Ilay fitiavana efa tao anatiko ao


‘Zaho tsy alavitra fa teo o!
Mbola nanafàna foana
Ilay afon’ny fitia toa nahamay


Na ny ho aviko aza ange
Tsy nasiako tarigetra
Fa ny lalako natokako ho anao
Ny fitiavako ao tsy ho tafiala o!


Niezaka ihany anie ‘zaho
Isan’andro, isan’andro, isan’andro, isan’andro o!
Hiezaka ihany anie ‘zaho
Isan’andro, isan’andro
Hamaly ‘zay fitiavanao


Ny antsika izao no anjara e!
Nanananana nanananana
Nanananana nanananana


Ny antsika izao no anjara e!
Nanananana nanananana
Nanananana f’ianao ilay tiako o!


Miotakotaka ny feo
Manatsatso ilay fitiavana
Efa niaritra izay vavan’ny olona


Hitsikiko foana reo
Amin’ny andro iray hamiratra
Tsy maintsy mbola hivaha ny tolona


Tambitamby ts’isy feo o!
Toa mandrotsirotsy ihany
Fa fitia toa tsy mba tonga lafatra
Ny aty ’nge ho aho mbola hafa ihany e!


‘Zaho tsy maintsy mba misento
Olombelona mba nofo
Mihetsiketsika tsy misy farany a!


Fa na dia izany aza aloha hatreto
Vatolampy tsy hianjera
Ilay fitiavana toa tsara orina


Satrin’ny olona aza ange
Hifotetaka amin’ny tany
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa:
Rivotra mandalo ihany e!


Hiezaka ihany anie ‘zaho
Isan’andro, isan’andro, isan’andro, isan’andro o!
Hiezaka ihany anie ‘zaho
Isan’andro, isan’andro
Hamaly izay fitiavanao


Ny antsika izao no anjara e!
Nanananana nanananana
Nanananana nanananana


Ny antsika izao no anjara e!
Nanananana nanananana
Nanananana f’ianao ilay tiako o!


F’ianao ilay tiako o!


F’ianao ilay tiako o!


Ny antsika izao no anjara e!
Nanananana nanananana
Nanananana f’ianao ilay tiako o!


·