Efa atomotra

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Efa atomotra


Efa atomotra ny andro izay voalaza fa
hanangonana ireo voa izay nafafy
hanangonana ny tsara ho ao antsompitra
sy ny ratsy izay ho dorana


Ka ho diboka hafaliana Andriamanitra Tsitoha
raha mandinika fa indro feno hipoka tokoa
ilay sompitra nomaniny ho an’ireo malala
izay sitraky ny fony ho any an-danitra


Enga anie ka tsy hitsapa tany foana
Andriamanitra Ray sy Zanaka, Fanahy
ka hitondra tanampolo ho any an-danitra
rehefa tonga ny andro farany


Ka ho diboka hafaliana Andriamanitra Tsitoha
raha mibanjina ny vala feno hipoka tokoa
ka hatsotrany ny tanany ho an’ireo malala
izay sitraky ny fony ho any andanitra


Indro tazako Jerosalema vaovao
lay tanana soa izay nomanin’i Jesosy
lay tanana volamena misy lovasoa
dia lay seza fiandrianana


Io no lova sarobidy sady tsy mba mety lo
tsy mba manampahavalo toy ny lova ety an-tany
fifaliana, fihobiana tsy misy fitsaharana
fandriampahalemana any an-danitra


·