Efa anananao ve?

VAZON'NY LANITRA

Efa anananao ve?


Efa anananao ve
Ny fiadananan’ny fo
Izay atolotr’i Jeso izao?
Efa tsapanao ve
ny fiadanany re
mahasoa, mahavonjy tokoa


Efa anananao ve ny finoana an’i Jeso
Mafy orina tokoa ao am-po?
Ka na fahoriam-be na koa ireo fakam-panahy
Dia atao tsinontsinona avokoa


Efa iainanao ve ny fifankatiavana
Didy vaovao ho ahy sy ianao
izao no amantarana fa mpianatr’i Jeso
Raha mifankatia tokoa izaho sy ianao


refrain
Izy anie ka tena tia
Tsy mba mihatsaravelatsihy
Fa nanolotra ny ainy ho an’izao tontolo izao


·