EFA AKAIKY ANDRO FARANY

Ampifafi

EFA AKAIKY ANDRO FARANY


1° Efa akaiky antsika ny andro farany
Efa fantatsika ny tantarany
Efa notoriana ilay Anarana
Efa miseho ny famantarana


Fiv:Ho avy anie Jesosy, miomana ianao dieny izao
Mandehana torio ny Filazantsara
Sasao ny akanjonao, miomana ianao dieny izao
Fa ho voavonjy tokoa ity gasikara


2° Efa nandalo tokoa Jesosy
Efa voavoatra ny làlana
Koa isika izay natsangany
No hanambara ny fitiavany


3° Rehefa tonga tokoa ilay ora
Hitsena an’l Jesosy ‘reo nofinidiny
Hihira fiderana manakoako
Miaraka amin’ireo Anjely sy ny olo-masina


4° Paradisa soa tena mamiratra
No ho honenantsika any
Tsy mba misy masoandro mamirapiratra
Fa Jesosy Tompo no fahazavana


·