Ditraditra

Ny Avo

Ditraditra


Ditraditranao io dia aoka ho fantatrao
fa tsy maintsy hisy farany
Revirevinao io
mbola ho tapitra hatreo ny tantarany
lokalokanao io dia ambarako anao
fa hamotika anao
toakatoakanao io dia fantaro
fa mbola hahafaty anao


Fa rehefa any aoriana
dia samy mijinja ireo izay nafafiny
izay vao hibaribary eo
ny lafy tsara ary ny lafy ratsiny
izay vao himenomenona
sy hipenimpenina
sady hanenina ianao
nefa ireny taloha
mafy loha sady tsy azo tenenina


Ihomehezan’ny olona ianao
mba ovay amin’izay ny fanao
ditraditra rehetra avelao
fa fitiavana be no omeny anao


Fa fitiavana feno fiadanana
ny ao amin’ny Tompo raha tsy fantatrao
tsikitsiky tsy mba mety tapitra
tsy mba ho levona tsy mety lo
haravoana tsy lany hamamiana
fahasoavana sy fifaliana
izany no miandry anao any an-danitra


Fa fitiavana feno fiadanana
ny ao amin’ny Tompo raha tsy fantatrao
tsikitsiky tsy mba mety tapitra
tsy mba ho levona tsy mety lo
haravoana tsy lany hamamiana
fahasoavana sy fifaliana
izany no miandry anao any an-danitra


Ditraditranao io dia aoka ho fantatrao
fa tsy maintsy hisy farany
Revirevinao io
mbola ho tapitra hatreo ny tantarany
lokalokanao io dia ambarako anao
fa hamotika anao
toakatoakanao io dia fantaro
fa mbola hahafaty anao


Dieny mbola tsy mihatra ny tsiny sy tody
dia mieritrereta
sao hahazo famaizana avy amin’i Jesosy
vao hipararetra
izay vao himenomenona
sy hipenimpenina
sady hanenina ianao
nefa ireny taloha
mafy loha sady tsy azo tenenina


Ihomehezan’ny olona ianao
mba ovay amin’izay ny fanao
ditraditra rehetra avelao
fa fitiavana be no omeny anao


Fa fitiavana feno fiadanana
ny ao amin’ny Tompo raha tsy fantatrao
tsikitsiky tsy mba mety tapitra
tsy mba ho levona tsy mety lo
haravoana tsy lany hamamiana
fahasoavana sy fifaliana
izany no miandry anao any an-danitra


Fa fitiavana feno fiadanana
ny ao amin’ny Tompo raha tsy fantatrao
tsikitsiky tsy mba mety tapitra
tsy mba ho levona tsy mety lo
haravoana tsy lany hamamiana
fahasoavana sy fifaliana
izany no miandry anao any an-danitra


Fa fitiavana feno fiadanana
ny ao amin’ny Tompo raha tsy fantatrao
tsikitsiky tsy mba mety tapitra
tsy mba ho levona tsy mety lo
haravoana tsy lany hamamiana
fahasoavana sy fifaliana
izany no miandry anao any an-danitra


Fa fitiavana feno fiadanana
ny ao amin’ny Tompo raha tsy fantatrao
tsikitsiky tsy mba mety tapitra
tsy mba ho levona tsy mety lo
haravoana tsy lany hamamiana
fahasoavana sy fifaliana
izany no miandry anao any an-danitra


Fa fitiavana feno fiadanana
ny ao amin’ny Tompo raha tsy fantatrao
tsikitsiky tsy mba mety tapitra
tsy mba ho levona tsy mety lo
haravoana tsy lany hamamiana
fahasoavana sy fifaliana
izany no miandry anao any an-danitra


Fa fitiavana feno fiadanana
ny ao amin’ny Tompo raha tsy fantatrao
tsikitsiky tsy mba mety tapitra
tsy mba ho levona tsy mety lo
haravoana tsy lany hamamiana
fahasoavana sy fifaliana
izany no miandry anao any an-danitra


·