Diso ve aho

Tselatra

Diso ve aho


Diso ve aho ?
Raha lasana ka nandao
Fa leo ny fijaliana ataonao ahy e
Omenao tsiny ve aho
Raha hipitsika ny tavanao
Fa tsy aiko ny miaraka aminao


Efa mba noporofoiko taminao ihany
Fa tena tia aho,tena tia anao aho e
Nafoiko daholo
Ny rendrarendrako taloha
Nafoiko daholo,noho ianao


Avelao aho andeha
Fa fitiavana hafahafa be
Nentinao,taty amiko e
Aoka ny ho avy
No hitsara antsika sy ndry
Fa tsy kilalao anie ny fitia


Ny lasa sisa no mba mitaniiisa e
Ireo lasa,vita hatr’zay e
Na mbola misy aza,indray ny fitia
Tsy handalo intsony any aho akia
Na koa hoe hanambitamby


Diso ve aho ?
Raha lasana ka nandao
Fa leo ny filafila ataonao ahy e
Omenao tsiny ve aho
Raha hipitsika ny tavanao
Fa tsy haiko,tsy haiko e ny miaraka aminao


Dia hody impiry aho oa
Tsy hiaraka aminao e
Fa aoka hifandao
Tsy aiko ,ny miaraka aminao
Tsy mitovy fomba fisaina e
Tsy mitovy fomba fiaina
e e e e e e


·