DISO TIAKO
Twokii
DISO TIAKO
Tato ato ianao toa niova
Variana tsy hay intsony e!
‘Lay fihetsikao mandangolango
Tsy fahita firy
‘Lay feonao voromanga iny
Lasa vorondolo be mandaginy
Aie e e! ianao koa dia misahirana
Sendra mba nianjera aho
Fa tsy hoe marefo e!
Tafitohana fotsiny aho
Fa tsy hoe resy e!
Mbola hitraka ihany aho,
Manantena hatrany aho,
Tsy tonga hifamaly aho
Tsy hiala fa hanao izay vitako ihany aho.
Rehefa tia anao ve
Dia mampifilafila e!
Diso tiako ianao ve
Dia mba mampifilafila e!
Namanao foana aho
Hanafosafo anao ‘zaho
Hanambitamby anao
Raha sendra miady.
Tsy mba tsapanao mihitsy
Fa ‘zaho miezaka isan’andro
Mba te hampitsiky,
Hamalifaly nefa indro
Ny asesinao dia latsa
‘Lay fahatokisanao toa lasa
Fahazaranao ilay mandatsa
Ka indraindray toa tsy zaka
Sendra mba nianjera aho
Fa tsy hoe marefo e!
Tafitohana fotsiny aho
Fa tsy hoe resy e!
Mbola hitraka ihany aho,
Manantena hatrany aho,
Tsy tonga hifamaly aho
Tsy hiala fa hanao izay vitako ihany aho.
Rehefa tia anao ve
Dia mampifilafila e!
Diso tiako ianao ve
Dia mba mampifilafila e!
Namanao foana aho
Hanafosafo anao ‘zaho
Hanambitamby anao
Raha sendra miady.
Namanao foana aho
Hanafosafo anao ‘zaho
Hanambitamby anao
Raha sendra miady.
Sendra mba nianjera aho
Fa tsy hoe marefo e!
Tafitohana fotsiny aho
Fa tsy hoe resy e!
Mbola hitraka ihany aho,
Manantena hatrany aho,
Tsy tonga hifamaly aho
Tsy hiala fa hanao izay vitako ihany aho.
Oh la la la!!
Raha mba fantatrao mantsy e!
Raha mba fantatrao mantsy anie!
Tsy mba tsapanao mantsy e!
Tsy mba tsapanao mantsy anie!