Diso lalana
Andrianary Ratianarivo
Diso lalana
Diso lalana ka voajamba
Very haja fa nitoky rambaramba
Nahare ny:“matokia” ka latsa-damba
Nilomano tamin-drano misy mamba
Zazavavy tsy nahay nitandrin-tena
Ka nanjary henatry ny firenena
Tovolahy androvo saina no nekena
Tonga vasoka ’lay endri-bolamena
Ry fitiavana mamitaka ô ! Ô esory !
‘Zato voalinao mitondra sorisory
Raha ho nofy tsy maninona tsy akory
Fa ny foko no teneno mba hatory.
Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo