DISO ADY

None

DISO ADY


1-Raha mijery ny andro lasa
Maro be ireo kinasa
Niezaka hatrany ho tsara
Zay atao anefa rava
Dia nanohy nikiry ihany
Zay hitsahatra tsisy izany
Tanjonay hoe ho tafita ny afarany


2-Tsarovy hatrany anefa
Ny fotoana manam-petra
Zay sasarano ety
Dia zava-poana
Saino ny mandrakizay
Miandry anao Jehovah Ray
Ho lovainao dieny ety ’lay lanitra any


FIV:Mahantra indrindra ianao raha ny ety no antenainao
Katsaho aloa ny fanjakany dia anampy anao
Zany rehetra izany
(Omeo an’i Jesô) ny adinao
(Matoky) f’Izy tsy andao
Satroboninahitra satrohanao


ASAFA
A/C : Fenohery
Janoary 2022


·