Diovy hysopa
GROUPE MANANDRATRA
Diovy hysopa
1- Ny halemeko re ry Ray ô
Mba sitrano tsy hisy intsony
Ka ny fiainako rehetra
Ho Anao tsy misy fetra
Réf:
Mitalaho Aminao Ray ô
Mitalaho an-tanandroa e
Aza isainao ho heloko
Ireo ota efa vita
Diovy HYSOPA aho
Ho afa-keloka e
Sasao ho madio
Sy ho mendrika
2- Ireo tsilo izay naningotra
Ity nofoko malemy
Mba fongory ho montsamontsana
Izaho mila fanavotana
.. Réf ..
3- Ireo masoko dia jamba
Ny fisainako efa simba
Ny fiteniko dia vaka
Ny famindrako mandringa
.. Réf..
A/C: Nônô (Chef Emion)