Dinitry ny Tompo

Oriela

Dinitry ny Tompo


Ny hazo fijalianao Jesoa
No fifaliako hatramin’izao Tompo o!
Izay mitondra fanavotana anay
Hatramin’izao sy ho mandrakizay


Ref:
Ny ra nalatsakao taty
No mitondra famonjena ho anay
Ny dinitrao tao kalvary re
No tena reharehanay
Indro ny saotra sy dera
Hatolotra ho Anao
Ho Anao ry Jesoa
Haleoia sy hosana
Ho Anao mandrakizay doria


Ny ratra nahazo Anao Jesoa
No ampinga miaro anay Tompo o!
Ka na sarotra mafy ny fiainana
Tsy ho kivy intsony ny fanahy


·