Dify

Joely

Dify


Iny dify ery ambadika ery
Tsy miraika, tsy mikopaka aty
Toy ny masoandro mody
Nefa rahampitso tsy hipody


Ilay havako tiako izay
Ilay tokako hatrizay
Nandao ahy, nandao ahy, nandao ahy


Zaho izany tsy ampiampy fitia
Malaindaina, tsy very dia
Toa voronkely mamo
Ka latsaka an-drano


Lasa lavitra loatra izy e
Lasany any ilay fitia be dia be
Nomeko azy, nomeko azy, nomeko azy


Fa ny elanelan-tany
Toa lavitra akaiky ihany
Ka tsy ho todiko mihitsy
Ka manjary tsy haiko intsony ny mitsitsy
Ny tomany, fa mirotsaka ihany, tomany, tomany


Fa ny elanelan-tany
Toa lavitra akaiky ihany
Ka tsy ho todiko mihitsy
Ka manjary tsy haiko intsony ny mitsitsy
Ny tomany, fa mirotsaka ihany, tomany, tomany


Iny dify ery ambadika ery
Tsy miraika, tsy mikopaka aty
Toy ny masoandro mody
Nefa rahampitso tsy hipody


Lasa lavitra loatra izy e
Lasany any ilay fitia be dia be
Nomeko azy, nomeko azy, nomeko azy


(feon-kira)
Ilay havako tiako izay
Ilay tokako hatrizay
Nandao ahy, nandao ahy, nandao ahy


A/C : © Fanja Andriamanantena


·