Dieny mbola izao

'Zay

Dieny mbola izao


Ho avy ny andro iray tena hangidy
Tsy afaka hanoatra satria didy
Ho antsoina hody any amin’ny Ray
Tsy hiaona intsony ary ho mandrakizay


Hikipy ireo maso anankiroa
Hitsahatra hitempo ilay fo
Ny vatana hiraraka ho tany
‘Reo sisa tavela hisento hitomany


Fiv:
Ka dieny mbola izao
Ny tsara amin’ny tsika sy ianao
Dia ny mbola ety an-tany
‘Ndeha hanangana
Fiainana iray vaovao
Ka fitiavana no tena hanjaka ao


Ny any akoatra aloha tsy mbola haiko
No sady mbola tsy takatry ny saiko
Tsy hay raha ho afobe na paradisa
Fa ny eto an-tany aloha mbola be ny tsy vita


Variana ao anaty andalàna
Fitiavan-tena sy fankahalàna
‘Reo no hiainantsika hatramin’izao
‘Zay no nahatonga hitany izao


Fiv -Music- Fiv*2
Ka fitiavana no tena hanjaka ao…


·