Dieny ety

GAFLI

Dieny ety



  1. Raha vao nahita anao ny Ray, miantso hoe: Avia!
    Faingàna re ianao mitodiha
    Atsotrany ny tanany hitantana anao
    Ho mpandresy amin’izay rehetra atao


Ref.: ‘Ndeha re izao hanatona Azy
Hibebaka amin’ny ota natao
Jesosy anie tsy hamela ho irery
Tiany ianao ka tsy foiny ho very



  1. Jesosy anie ka tsy hanary anao n’aiza n’aiza
    Na eto an-tany ianao, na hatraiza
    Ianao anie tiany, tsy foiny, tsy niafy
    Nomeny ny ainy toa voa nafafy


Ref.: ‘Ndeha re izao hanatona Azy
Hibebaka amin’ny ota natao
Jesosy anie tsy hamela ho irery
Tiany ianao ka tsy foiny ho very


·